Anisan’ny niavaka amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy Afrika ny nandraisan’ny filoha Amerikanina, Joe Biden ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny “Maison Blanche” any Washington. Dinika manokana natao, mialoha ny fivoriana iaharana tamin’ny ireo filoham-panjakana avy amin’ny firenena afrikanina efatra hafa, anisan’ny hikarakara fifidianana amin’ny herintaona. Nambaran’ny filoha Amerikanina tamin’izany ny finiavan’i Etazonia hanohana sy hanampy hatrany ny firenena Afrikanina.
Tafiditra ho anisan’izany i Madagasikara ho amin’ny fanamafisana hatrany ny lafiny demokrasia. “Mifampiankina amin’izany dingana izany ny fampiroboroboana ny toekarena sy sosialy”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana ny zaza an-tsekoly, ny fisitrahana fitsaboana ary koa ny fampiakarana ny harin-karen’ny firenena, araka ny nambarany. Nanteriny fa manohana ny fanaingana ny toekaren’i Afrika i Etazonia.
Notsipihin’ny filoha Rajoelina Andry kosa fa tena mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-miombona antoka ho amin’ny fampandrosoana an’i Afrika i Etazonia.
Nomena tombondahiny manokana ny filoha…
Tsiahivina fa tsy nisy fihaonana manokana niaraka tamin’ireo filoha Afrikanina hafa tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filoha Amerikanina, Joe Biden, mandritra izao fihaonana an-tampony eo amin’ny Etazonia sy Afrika ity. Nomena tombon-dahiny manokana, noho izany, ny filoha Rajoelina fa afaka nihaona sy nifampiresaka tamin’ny filoha Amerikanina. Notanterahana tao amin’ny “Bureau ovale”, toerana fiasan’ny filoha Amerikanina sady anisan’ireo toerana fandraisany ireo vahiny manan-kaja izany.
Synèse R.