Afa-po ny CIJ : raikitra ny Lalaon’ny Nosy 2023 eto Madagasikara

Tsy miova fa horaisin’i Madagasikara, ny lalaon’ny Nosy 2023. Io no fantatra taorian’ny fitsidihana nataon’ireo mpikambana eo anivon’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), teto amin-tsika.

Nifarana, omaly, ny fi­vo­riana nataon’ny CIJ (Conseil International des Jeux), teto Madagasikara. Afa-po ny filohan’ny CIJ, i Anthony Gopal ary nahita ny fahavononan’i Madagasikara, amin’ny fotodrafitrasa sy ny fanomanana amin’ny ankapobeny, ny lalaon’ny Nosy ho­tanterahina eto Madagasikara ny taona 2023. Nitsidika ireo toerana rehetra handraisana ny lalao izy ireo, niaraka ta­min’ny delegasiona avy amin’ ny Nosy rahavavy handray anjara. Efa avy nitsidika ny tany Mahajanga sy ny teny amin’ny Cnaps Vontovorona, ny alakamisy lasa teo ary nofaranana tetsy amin’ny ki­anja Barea Mahamasina izany fitsidihana izany. Nandritra izany no nanehoan’ny CIJ sy ireo Nosy rahavavy ny fahafaham-pony ka nanamafy fa a­fa­ka mandray tsara ny lalaon’ ny Nosy i Madagasikara. “Ampy tsara ny fotodrafitrasa ary mbola manana safidy betsaka aza”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny CIJ, i Anthony Gopal. Tetsy ankilany, nanome toky ny filohan’ny Komity olympika malagasy, Randria­na­soloniaiko Siteny fa hojerena ireo fotodrafitrasa mbola mila hatsaraina ary hovitaina haingana ireo izay vao eo an-dalam-panamboarana. Hizotra tsara, hoy izy, ity lalaon’ny Nosy 2023 andiany faha-11 hatao eto Madagasikara ity. Ny lisitry ny delegasiona sy ny atleta avy amin’ny Nosy mandray anjara sisa no andrasana hahafahana mandamina ny toerana hivantanan’izy ireo. Mbola misy fanamboarana ihany koa ny mahakasika ny fitsipika teknika isaky ny taranja.
Tsiahivina, ny volana avrily 2023 izao indray ny hanatanterahana ny fivorian’ ny CIJ manaraka, handaminana farany ity lalaon’ny Nosy 2023 ity.

Mi.Raz

Partager sur: