Fanjakana tsara tantana : ho avy ny famatsiam-bolan’ny MCC Amerikanina

Nanamarika ny dian’ny filoha Rajoelina mivady, tany Etazonia ny fihaonana tamin’ny filoha tale jeneralin’ny “Millennium Challenge Corporation – MCC’, i Alice Patterson Albright. Noderain’ ity tompon’andraikitra ity ny ezaka natao ka nahazoan’ny firenena naoty tsara amin’ny ankamaroan’ireo fepetra ta­kian’ny MCC, ahazoana ny famatsiambola. Eo ny fitondrana tsara tantana, ny fahafahana mandraharaha, sy ny fitsinjovana ny maha olona. Eo koa ny fahafahana mandraharaha, ny politikan’ny varotra sy ny hetra. Manampy izany ny fahazoana tany sy famoronana asa. Midika izany fa azontsika ny naoty mametraka azy ho anatin’ny “Zone verte”. Izany hoe miabo. Nambaran’ny eo anivon’ny MCC anefa fa mila mitana ireo naoty tsara ireo ary mijanona anatin’io “Zone verte” io i Madagasikara hatramin’ny desambra 2023, raha te ho tafaverina tanteraka ao amin’ ny MCC. Nentanin’izy ireo ny fitondrana hanatsara ny fitantanana sy ny ady amin’ny kolikoly, ary ny fanomezana ny fahahafana miteny sy maneho hevitra. Mahatratra hatrany amin’ny 500 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo amin’izany. Tsy trosa fa fanampiana tsy averina.

Fanjakana tsara tantana…
Fomba iray ahafahan’ny Amerikana manohana sy ma­nampy ireo firenena hafa ny MCC. Misy dingana sy naoty maromaro vao afaka misitraka izany. Eo ny tombana sy ny naoty amin’ny ny fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fahaiza-mitantana, ny demokaria, ny fiahiana sosialy ary ny fiarovana ny zon’olombelona. Anisan’ny efa nataon’i Madagasikara, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny nametrahana ny “Open data”, ahafahan’ny rehetra, hatramin ireo mpiara miombon’antoka mi­di­tra sy mijery ny fitantanam-bolan’ ny fanjakana. Eo koa ny fametrahana ilay lalàna momba ny famerenana ireo harena sy fananana ary vola tsy ara-dalana any ivelany. Efa napetraka ny rafitra “Agen­ce de recouvrement des avoirs illicites-Arai”. “Naha­fa­han’ny Amerikanina niteny fa mandroso ny fitantanana ma­dio aty amintsika amin’izany ezaka izany”, hoy ny filoha.

Tsy nisy haino aman-jery nakatona
Notsindriny fa tsy nisy ha­i­no aman-jery nakatona. Vao ma­inka aza mitombo ny isan’ ireo haino aman-jery sy gazety. Ny fahalalahana maneho hevitra araka ny nambarany.
Tsiahivina fa rafitra iray natsangan’ny Kongresy Ame­rikanina ny taona 2004 ny MCC. Mitantana ny vola entina manampy ireo firenena hafa, voarakitra anatin’ny “Mil­lennium Challenge Account – MCA”, enti-miady amin’ny fahantrana sy mizotra mankany amin’ny fampandrosoana maharitra. Manao ny tombana ireo firenena, afaka misitraka izany fanampiana izany.

Synèse R.

Partager sur: