Nifarana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta. Hifarana koa ny disadisa eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna? Taorian’ny fitsipaham-pitokisana nandamoka nokasain’ny Antenimierampirenena hatao tamin’ny governemanta, nofoanana ny fifanatrehan’ny governemanta amin’ny parlemanta. Efa misy ny fitoniana? Na mbola mifamahofaho…
Nilaza ny solontenan’ny Vondrona afrikanina fa tsy ahiana ny toe-draharaha eto Madagasikara. Misy kely hatrany ny tsy fitovian-kevitra amin’ny politika. Afa-manohy ny fiaraha-miasa ny rehetra. Zava-dehibe ny fahamarinan-toerana politika, indrindra eo anivon’ny andrimpanjakana. Tokony hiasa ara-dalàna izy ireo hisian’ny fahamarian-toeran’ny firenena.
Tsy nahomby ny politika nitantanana ny volamena nanomboka ny 2015. Mitentina 780 miliara Ar ny vola vahiny tokony hiditra amin’ny fanjakana no very, araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty. Kaominina enina, faritra Betsiboka, no nanaovana fanadihadiana sy fanaraha-maso, 2018-2021. Manao ahoana ny manerana an’i Madagasikara hatramin’izay? Mifamahofaho…
Miisa 474 ny fitarainana voarain’ny mediatioran’ny Repoblika, ka ady tany no be. Maro ireo lalàna ilaozan’ny toetrandro, ireo sehatra indramana lalàna vahiny tranainy, na lalàna sarotra ampiasaina fa tsy misy didy fampiharana… Misy ny sehatra tokony hanaovana fandravonana lalàna sy didy, fa lalàna marobe tsy ifankahitana; maro ireo seha-pihariana tsy mbola voafehin’ny lalàna.
Mifamahofaho izany rehetra izany? Nefa misy ny lafiny tsara toy ny nanosoran’ny Bad ny filohan’ny Repoblika ho tompon-dakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika, ny hanampian’ny fanjakana amerikanina an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana…
R. Nd.