Ho fantatra amin’ny 23 desambra ho avy izao, ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, hatao any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary, ho avy izao.
Araka ny fanambaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, ny asabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina, ho fantatra, ny zoma 23 desambra ho avy izao, ny lisitr’ireo mpilalao 23 mirahalahy, handrafitra ny Barea, ho any Alzeria, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”.
Ny Barea de Madagascar, izay niatrika lalao fihantsiana tamin’ireo mpilalao malagasy, mila ravinahitra atsy La Réunion. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Kianjan’ny Barea, ny asabotsy; teo.
Resin’ny Barea, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0 ry zalahy. Baolina, tafiditr’i Onja sy i Feldman ary i Jean Yves. “Azo lazaina fa, efa ao amin’ireo mpilalao ny herijika sy ny fahavononana hiatrika ny “Chan 2023”. Nanatombo tamin’ny tanjaka ny Barea, ary haingana kokoa ny fahaizan-dry zalahy manafika raha mitaha amin’i La Réunion. Na izany aza, mbola maro ny lesoka. Anisan’izany ny famoahana baolina rehefa hanao fanafihana, ny fifantohana eny ambony kianja”, hoy i Roro. Mahakasika an’i Tsilavina (Drogba), indray izay miteraka resa-be, nomarihiny fa ao anatin’ny lisitry ny Barea izy. Misy zavatra takianay aminy, saingy ho jerena manokana ny fivoarany. “Marihiko eto fa tsy misy tompon- toerana ato amin’ny Barea. Ny fahaizana entin’ireo mpilalao eny ambony kianja ihany no maharesy lahatra ahy. Hojerena manokana kosa ireo mpilalao maratra, toa an’i Datsiry sy i Aina kely.” hoy hatrany i Roro.
Tsiahivina fa, manana efatra herinandro ny mpanazatra hahafahany manitsy ireo lesoka rehetra, miampy ny lalao ara-pirahalahiana telo hatao any Tonizia.
Fitia (Mpianatra Asa)