Fehinkevitry ny Hiffim: “Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanana”

“Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanam-pirenena, ka antsoina manokana handray andraikitra amin’izany ireo raiamandreny ara-panahy sy raiamandreny ara-drazana ary indrindra ny mpitantana ny firenena amin’izao fotoana izao.” Io ny anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Mada­ga­si­ka­ra (Hiffim), teny An­dre­fan’ Ambohijanahary, ny herinandro teo, nentin’ny mpitondra teny, Rakotomalala Henri.
Manaraka eo ny fanovana ny lalàmpanorenana hifanaraka amin’ny foto-pisainana ma­lagasy. Ny firosoana amin’ ny Repoblika faha- V ka hanana firenena tan-dalàna amin’ ny alalan’ny fametrahana lalàmpanorenana tsy miangatra, mametraka mazava tsara ny zo sy ny andraikitra ary mahafehy ny fitantanana ny harem-pirenena sy manaja ny fitsinjaram-pahefana.
Hapetraka eo an-tanan’ny rafitra mahaleo tena iray ary manana fahefana feno hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy manoloana fitantanana ny fifidianana rehetra eto amin’ ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: