Anisan’ny ligy namerina ny Tae-kwon-do amin’ny lazany teo aloha Analamanga. Manoloana izany, takin’izy ireo ny handraisan’ny mpikatroka rehetra anjara hitazomana ny lentan’ny fifaninanana.
Nambaran-dRakotomanana Franck Tiana, filohan’ny ligin’Analamanga Tae-Kwon-Do, fa
tsy tokony hisy izany mpikatroka tonga dia tafakatra fotsiny izany, satria efa tompondaka farany. “Tokony handray anjara amin’ny fifaninanana avokoa ireo mpikatroka rehetra, fa mihena ny traikefany sy ny fahaizany”, hoy izy. Araka izany, nandefa taratasy any amin’ny filohan’ ny federasiona izay tsy hita eto Madagasikara ny tenany, mitaky ny handraisan’ny rehetra anjara, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligy. Nanoloana izany, nanaiky ny federasiona saingy very ny fetrisa “quota” an’ireo mpikatroka. “Mila mizatra ady sy ny fitsipika vaovao ary ny fampiasana ilay système électronique ny rehetra”, hoy hatrany ny filohan’ny ligin’ Analamanga.
Mikasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy indray, mihevitra i Franck Tiana fa tokony ny fifaninanam-pirenena, hatao any Toamasina ny 5 – 7 janoary ho avy izao no hitsongana ireo voafantina mialoha, ao anaty ekipam-pirenena, ka hanaovana fampivondronana.
Nilaza Randrianantoandro David, kapitenin’ny ekipam-pirenena teo aloha fa tokony hampiana ny ligin’Analamanga amin’ny ezaka sy ny finiavany hampandroso ny taranja ary tokony hampitovy tadin-dokanga amin’izy ireo ny federasiona.
Tanteraka ny fanamby, tratra ny tanjona
Tsiahivina fa namarana ny taom-pilalaovana 2022 sy ny taom-piasana, ny ligin’ Analamanga, ka nanakatonany izany ny fiadiana ny ho tompondaka. Fifaninanana natao ny asabotsy sy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Tanteraka ny fanamby ary tratra ny tanjona, satria tontosa avokoa ny fandaharam-potoana rehetra. Notsiahiviny fa narary ny Tae-kwon-Do teto Analamanga, tany amin’ny taona 2013 ka hatreo amin’ny taona 2019, nandraisany an-tanana ny ligy. Tsy nisy mihitsy fifaninanana. Amin’izao fotoana izao, miverina ny fitiavan’ny rehetra ity haiady ity satria misy hatrany ny fifaninanana, tonga ny seksiona, mitombo ny mpikatroka ary nisy ireo klioba vaovao. Notsiahiviny fa nahavita fifaninanana miisa valo ny ligin’Analamanga, tamin’ity.
Torcelin