Hotanterahina eto Antananarivo, ny 1 sy ny 3 ary ny 5 febroary 2023 ny dingana farany “Poule des As”, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Hifandimby mihaona ireo ekipa efatra tafita amin’izany ka ho voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2022, izay manana isa be indrindra. Raha tsiahivina, ekipa efatra no hiady izay ho lohany amin’ izany dia ny AC Sab-Nam sy ny Disciplles FF Vakinankaratra. Ny Mifa Analamanga sy ny Ascuf Matsiatra Ambony.
Tsiahivina fa nifarana ny asabotsy 17 desambra lasa teo, ny dingana faharoa izay notontosaina tany amin’ny kianja Antsirabe ho an’ny sokajy “A” ary tany Matsiatra Ambony kosa ny vondrona “B”. Tafavoaka tao amin’ny “A”, ny AC Sab-Nam sy ny Mifa ary tao amin’ny “B” kosa ny Disciples FF sy ny Ascuf.
Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity “Poule des As” ity, ny fihaonana eo amin’ny Disciples FF sy ny AC Sab-Nam, izay samy avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Tsiahivina, fa tafiditra ao anatin’ny fitiliana, izay handrafitra ny Barea de Madagascar, amin’ny Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), tanterahina eto Madagasikara ihany koa ity fifaninanam-pirenena ity.
Fitia (Mpianatra Asa)