Fahombiazana tanteraka ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kung-fu Wisa, notontosaina teny amin’ny Temple de Mizael Ambatomirahavavy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mpikatroka 105 avy amin’ireo ligim-paritra sivy no tonga nandray anjara tamin’izany, ka ankoatra ny amboara sy valopy natolotry ny filohan’ny federasiona, Grand Maitre Avoko sy ny birao, dia mahazo mitsidika, manao fanazarantena eny amin’ny Temple maimaim-poana, mandritra ny taona 2023 izy ireo. Mbola manao «vacances» any Mahajanga ihany koa izy ireo amin’ ny Paka 2023, ahitana ny tompondaka rehetra (lahy sy vavy) sy ny tompondaka lefitra. Ny Federasiona malagasy Kung Fu Wisa no niantoka manontolo ny fanatontosana iny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2022 teo iny, izay nisaotra ireo mpandray anjara sy ny ligy namaly ny antso tamin’izany.
Mi.Raz
Ireo tompondakan’i Madagasikara
Lehilahy :
-55kg : Randrianandrasana Jean de Loyola (Itasy)
-60kg : Rakotonirina OniniainaMichael (Analamanga)
-65kg : Njaratiana Tojosoa Jean Jacques (Amoron’i Mania)
-70kg : Randriamiora Maxim (Vakinankaratra)
-75kg : Randriamanampisoa Christian (Amoron’i Mania)
+75kg : Randrianasolo Jean Paul (Analamanga)
Tao Lu –Main Nue: Jean Judinah (Boeny).
Armes: Randriamananjara Raymond (Vakinankaratra).
Vehivavy :
Légère – Raheriniaina Manahirana (Alaotra Mangoro)
Lourd : Razafinarivo Hanitriniaina Suzanne (Analamanga).
Main Nue: Ramiliarisoa Georgette (Analamanga).
Arme: Rasoarimalala Bernadette (Analamanga).