Lalaon’ny Nosy 2023 – Badminton: «Sarotra ny medaly volamena», hoy ny filohan’ny Federasiona

Mandra-pisian’ny fampivondronana ataon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, samy manomana araka izay fahaizany, ny Federasiona isanisany. Ho an’ny badminton, miezaka manao fifaninanana matetika izy ireo, hoy ny filohan’ny Federasiona.

Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny badminton, 8 volana mialoha ny lalaon’ny Nosy ?

Ravalion Jean Aimé (-) : Marina fa efa akaiky dia akaiky ny lalaon’ny Nosy, ka raha ny fanomananay Badminton no anontanianao dia ny fanatontosana fifaninanana betsaka no imasoana, aloha. Tafiditra ao anatin’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, farany teo ho an’ny «sénior» satria izy ireo no handrafitra ny ekipam-pirenena. Miandry kosa ny fampivondronana avy amin’ ny minisitera. Araka izany, manao hetsika mba hitazo­man’ireo atleta ny tanjany. Marina fa efa nilaza ny minisitera fa hisy fiofanana hatao any Chine. 8 mianadahy ny anay no hiatrika izany saingy mbola hanaovanay antso avo ny mba hisian’ny fampivondronana, tsy ho ela, fa efa tena tara be isika.

* Ahoana ny fifantenana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena?

– Aorian’ny fifaninanam-pirenena foana no hangalana ireo mpilalao hifantenana mialoha izay handrafitra ny ekipam-pirenena, ka 24 eo amin’ny lehilahy ary 18 eo amin’ny vehivavy “1ère série”. Miatrika lalao fifanintsanana indray izy ireo aorian’ izay, hahitana ny filaharany avy, izay vao hivoaka ny anaran’ireo voafantina mialoha “pré-selectionés”, hanomana ny lalaon’ny Nosy.

* Ny ho herijikan’ny Malagasy amin’ny fahazoana medaly?

– Sarotra, satria efa ambony be ny lentan’ireo firenena mandray anjara, raha tsy hiteny afa-tsy izany Maldives, izany. Eo koa ny Maorisianina sy ny Renione ary ry zareo Seiseloà. Na izany aza, tombony ho an’ny atleta malagasy ny hilalaovany eto amintsika ka hanaovan’ireo atleta ny ainy tsy ho zavatra, hanehoany ny fahaizany nandritra izay fanomanana izay.

* Manao ahoana ny Federasiona, eo anivon’ny iraisam-pirenena?

– Tsy misy olana mihintsy ny fifanarahana sy ny fifanampiana ary ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra any ivelany, na eo anivon’ny Kaonfederasiona afrikanina na ny Federasiona iraisam-pirenena. Voaloa ara-dalàna ny latsakemboka ary manatrika ny fivoriambe ataon’izy ireo hatrany i Madagasikara, rehefa misy izany.

Dinika nangonin’i Torcelin

Partager sur: