Muay Thaï – Atsinanana : nahazo medaly volamena 9

Velona sy miaina ny fanatanjahantena ato anatin’ny faritra Atsinanana, raha  ny tenin’ny Governora, Rafidison Richard Theodore, nandritra ny fandraisana ireo mpilalao basikety, telo mianandahy mandrafitra ny ekipam-pirenena Ankoay, farany teo.

Nilaza izy fa mahavelombolo ny lafiny fandrosoana ara-panatanjahantena ato anatin’ny Faritra Atsinanana. Teo ihany koa ny nandrombahana ny “La voix d’or”. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, indray tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fiadiana  ny amboaran’i Madaga­sikara, taranja Muay Thaï, izay nandraisan’ny Faritra Atsinanana, anjara, niarahana tamin’ireo faritra hafa toa an’Analamanga, Vakinanka­ra­tra, Alaotra Mangoro. Miisa 20 be izao ireo mpifaninana. Vokany, nandrombaka ny medaly be indrindra ny Faritra Atsinanana, izay mitsinjara toy izao. Medaly volamena 9, ka anisan’ny nahazo izany, i Mbola Dixsepte, teo amin’ny kilasy  “A”, sokajin-danja latsaky ny 51 kilao. Izy izay nandavo an’ i Toky avy amin’ny Cospn Analamanga. Teo koa ny an’i Abdoul, ho an’ny klasy “B” nandresy an’i Cons­tant, sokajin-danja,  latsaky ny 63,5 kilao. Ankoatr’izay, nahazo medaly volafotsy 5 sy alimo miisa 6, ihany koa Antsinanana.

Noho ireo rehetra ireo, noraisin’ny filoham-boninahitry ny ligy Atsi­na­na­na, ny Muay-Thai, ny Me Tafa teny amin’ny birao fiasany, ireo maherifon’ny taranja Muay Thaï Atsinanana ireo.

Sajo

Partager sur: