Norarahana poizina ny sakafon’ny mpamily, ary novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina izy avy eo. Notetehina sy nosarahana tamin’ny vatany ny tanany, vaky ny lohany ary mbola norarahana asidra ny vatany sy ny filahiany.
Niakatra fitsarana, ny alatsinainy teo, Rakotozafy Justin Pritchard, miaramila kaporaly miasa ao amin’ny toby Analakinina Hopitalibe, Toamasina. Voarohirohy nangalatra fiara Mazda ary namono nahafaty ny mpamilin’ ity fiara ity izy. Raha tsiahivina, nanao fifanarahana hanofa fiara iray tamin’ny tompona fiara “Mini bus Mazda gris” izy. Voalaza fa hitondrana razana ho any Mahanoro izany, ny 19 janoary teo. Nifanarahan’izy ireo tamin’izany fa hoentin’ny mpamily ny fiara. Tsy azo an-telefonina intsony anefa ny mpamily, ny 20 janoary, rehefa niantso azy ny tompon’ny fiara. Dimy andro taty aoriana, nisy nahita tany anaty ala tao
amin’ny fokontany Morarano, disitrika Lalangina, faritra Matsiatra Ambony ny fatin’io mpamily io. Tsy vitan’ny famonoana tsotra fotsiny fa notetehina sy nosarahana tamin’ny vatan’ity mpamily ity ny tanany. Vaky ny lohany ary mbola norarahana asidra ny vatany sy filahiany. Tonga tany an-toerana nanao fizahana ny razana ny tompon’andraiki-panjakana. Nalain’ny fianakaviana sy ny fokonolona avy hatrany ny razana taorian’ny fizahana sy namantarana fa ilay mpamily tokoa io maty nisy namono io.
Natoky ody gasy
Fantatra ireo olona niray tsikombakomba tamin’ity vono olona sy fangalarana fiara ity. Rabano Célestin no niantoka ny ody gasy. Ramanandraibe Jacqueline sy Ramanampisoa Rolland Eric, nilaza fa manana havana maty any Mahanoro ka hanofa fiara. Randriamanantena Françis kosa no voalaza fa vonona hividy ilay fiara amin’ny vidiny 20 tapitrisa ariary. Naharitra adiny telo ny fitsarana ary voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny ilay miaramila kaporaly, tompon-kevitra tamin’ity raharaha ity. Marihina fa tsy tonga niatrika ny fitsarana ireo olona voarohirohy niaraka taminy. Efa namoahana didy fisamborana kosa izy ireo.
Sajo/ Mino (Mpianatra Asa)