Echec-Mada : nanao pao-droa i Toavina

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Live Hotel Andavamamba, ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara Blitz sy Rapide, taranja Echec. Nisongadina tanteraka ny mpilalao Raza­nadrakotoarisoa Toavina, izay sady nahazo ny fandresena teo amin’ny Blitz no voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Rapide ihany koa. Notsoahiny teny am-pelatanan-dRakoto­maharavo Dylan (tompondaka 2021) ny anaram-boninahitra, teo amin’ny fifaninanam-pirenena Blitz. Araka izany, laharana faharoa i Dylan ary fahatelo kosa Andrianiaina Haritiana. Teo amin’ny Ra­pide kosa, faharoa i Heritiana ary Rakotomanga Henintsoa Mizael Anthony no laharana fahatelo. Nahafa-po ity fiadiana ny tompondaka nasionaly ity, raha ny nambaran’ny avy ao anivon’ny Federasiona malagasy ny lalao Echec. Io ny fifaninanana mamarana tanteraka ny taom-pikatrohana 2022, ho an’ity taranja ity. Nahomby ny taona 2022 ho an’ny Federasiona satria saika tontosa araka ny tokony ho izy avokoa ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy re­hetra, nanomboka hatrany amin’ny ankizikely ka hatramin’ny sokajy vétéran.
Mi.Raz

Partager sur: