Filoha Rajoelina Andry : miantso firaisankina sy fifankatiavana

Nosokafan’ny filoha Rajoelina Andry, ho an’ny daholobe ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Ho mariky ny fankalazana ny Noely anatin’ny fifankatiavana izany.

Navoitran’ny filoha Rajoelina tamin’ny lahateniny fohy ny fampahatsiahivana ny Noely. “Natao hankalazaina anaty fifankatiavana sy firaisankina ary anatin’ny fahazavana izany. Ny hazavan’i Jesoa anie hanazava ny fontsika sy ny firenentsika ahafahana mitondra hafaliana any amin’ny tokantranontsika”, hoy izy. Niantsoany ny rehetra hifankatia izany. Nanteriny koa fa filoham-pirenena misokatra ho an’ny rehetra ny tenany ka antony nanokafana ho an’ny vahoaka ny Lapa izany. Eo koa ny fanomezana hatolotra ireo tonga eny an-toerana. “Tia vahoaka ny filoha ary manakaiky azy ireo… “, hoy izy, teo am-pamaranana.

Raitra sy avo lenta…

Tsy ho “Faritra mena” aloha ! Misongadina amin’izany Noely any Ambohitso­rohitra izany ny tranon’omby anehoana ny fahaterahan’ilay Mpamonjy. Ireo jiro sy hazavana maroloko, miseho amin’ ny endriny maro samihafa mandravaka ny Lapa sy ny manodidina hatreny Antani­renina. Miova tanteraka ny lokon’ny zaridainan’ny La­pam-panjakana. Ny endrika hazonoely lehibe, voaravaka jiro… Tena raitra sy avo lenta tanteraka ny hetsika sy ny fikarakarana rehetra hanamarihana izao fetin’ny Noely, tanterahina eny Ambohitso­rohitra izao. Voaravaka hira sy feon-kira manamarika ny fetin’ny Noely avokoa izany rehetra izany.

Nifandrombahana ny fakana sary…

Manampy ireo ny seho an-tsehatra nataon’ireo antoko mpihira. Anisan’izany ireo ankizy tezaina eny amin’ny toby Akamasoa. Teo koa ny fizarana ny kilalao ho an’ireo zaza tonga teny an-toerana. Tsy vitan’izany fa ifandrombahana ny fiarahan’ny filoha Rajoelina Andry maka sary amin’ireo ankizy sy raimandreny. tahaka izany koa ny fakana sary eny amin’ireo jiro sy ny tranon’omby na koa eo anoloan’ny lapa sy ny Dadabe Noely…
Voarindra sy milamina avokoa ny fidirana sy ny fivoahana amin’izany toerana izany. Nilaharana be rahateo ny tao ivelany ka nampifandimbiasana ny fidirana ny toerana.

Synèse R.

Partager sur: