Kitra U19 – Amboara rezionaly: hifantenana izay handrafitra ny Barea Kely

Ho fiatrehan’i Madagasi­kara ny “Cosafa 2023”, ho an’ny sokajy zandriny U20, hisy fifaninanana amboaram-paritra, ho an’ny U19. Hi­fantenana izay handrafitra ny Barea de Madagascar, amin’izany lalao izany, ny antony.
Handray anjara amin’ity amboaram-paritra ity ireo faritra 22. Hozaraina amin’ny kianja miisa valo izy ireo. Hanomboka ny 6 – 8 janoary 2023 izao ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Hifandimby hihaona ireo ekipa tsirairay avy ka tafita amin’ny dingana faharoa, izay hatao ny 25 febroary hatramin’ny 5 marsa, ireo roa voalohany isan-tsokajy. Hozaraina ao anaty sokajy roa indray ireo faritra mbola manohy ny fifanintsanana ireo ka miatrika ny famaranana, ny voalohany isam-bondrona. Hatreto, tsy mbola fantatra ny toerana sy fotoana hanatontosana ny famaranana.

Fitia (Mpianatra Asa)

Ireo fizaram-bondrona

Vondrona «A» – Kianja Antalaha
Sava , Diana
Vondrona « B » – Kianja Mahajanga
Boeny, Sofia, Melaky
Vondrona « C » – Kianja Tsiroanomandidy
Bongolava, Itasy, Betsiboka
Vondrona “D” – Kianja Toamasina
Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro
Vondrona “E” – Kianja Tolagnaro
Androy, Anosy
Vondrona “F” – Kianja Ihosy
Ihorombe, Atsimo Andre­fana, Matsiatra Ambony
Vondrona “G” – Kianja Antsirabe
Vakinankaratra, Menabe, Analamanga
Vondrona « H » – Kianja Manakara
Vatovavy, Fitovinany, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana.

Partager sur: