Taorian’ny fahavitan’ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny Malagasy Rugby, nankato ny latsa-bato ary niarahaba an-dRakotomala Marcel, tamin’ny nahalany azy indray ny filohan’ny Rugby Afrique ary nanasa azy ho atsy Afrika Atsimo, hanatrika ny fivoriambe.
Nandefa taratasy fiarahabana ho an-dRakotomalala Marcel, tamin’ny fahalaniany indray hitondra ny Malagasy Rugby, ho an’ny taom-piasana manaraka, ny filohan’ny Rugby Afrique, i Khaled Babbou. Nankatoavin’ity rafitra misahana ny baolina lavalava eto Afrika ity ihany koa ny fifidianana, natao tany Toliara, farany teo.
Ho fanamafisana fa ara-dalàna ny maha filohan’ny Malagasy Rugby azy, nomen’ny Rugby Afrique fanasana hanatrika ny fivoriambe, hatao any Cape Town, Afrika Atsimo, ny 18 marsa 2023 Ra-Marcel, ary handray anjara amin’ny latsa-bato hifidianana izay ho filoha hitondra ny Rugby Afrique. Efa nankato ny maha filohan’ny Malagasy Rugby azy ihany koa ny federasiona iraisam-pirenena (World Rugby).
Eto Madagasikara ny manasa-dalana
Neken’ny World Rugby ihany koa fa hotanterahina eto Madagasikara ny lalao manasa-dalana, hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2025”, rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Raha tsiahivina, hifanintsana amin’izany i Afrika Atsimo, voalohany tao amin’ny vondrona “A”, i Kenya tao amin’ny “B”, ny Makis ho an’ny “C” ary i Kameronina ny an’ny “D”.
Hatreto, tsy mbola fantatra ny raiki-pohy hanatontosana ny fifanintsanana. Mety hihaona daholo ny ekipa rehetra, ka miatrika ny “Mondial 2025”, ny roa voalohany. Ankoatra izay, hiatrika ny “series world cup challenger 2023”, ny Makis Ladies. Fihaonana, hatao atsy Cap Town, ny volana avrily. Hizara roa io fihaonana io ka ny dingana voalohany, hatao ny 20 – 22 ary ny faharoa ny 28-30. Ekipa 12 sangany indrindra avy amin’ireo kaontinanta 6 no hanao izany. Samy hanana solontena 2 avy izany, amin’ity. Raha tsiahivina, Springboks sy ny Makis, no hiaro an’i Afrika.
Tompondaka