Basikety-Taona 2023: hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena 5 ny Ankoay

Ho feno tanteraka ny tetiandro ho an’ny ekipa malagasy, taranja basikety, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny taona 2023. Fifaninanana iraisam-pirenena dimy no handraisan’izy ireo anjara.

Ankoatra ny lalaon’ny Nosy 2023, hatao eto Madagasikara izay handraisan’ny taranja basikety anjara mavitrika, eo amin’ny 3×3 sy 5×5, fifaninanana iraisam-pirenena dimy no hilalaovan’ny ekipa malagasy amin’iny taona ho avy iny. “Taona ho an’ny fanatanjahantena ny taona 2023, indrindra ho an’ny taranja basikety”, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Ramaroson Jean Michel. Efa fantatra fa nahazo ny tapakila roa hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany ny Ankoay lehilahy U18 (24 jiona-2 jolay 2023) sy ny Ankoay lehilahy Seniors (mey 2023), hifaninana amin’ny “Jeux de la francophonie” ihany koa ny sokajy vehivavy, ankoatra ilay fifanintsanana amin’ny “Mondial” mbola hatrehan’ny Ankoay vehivavy Seniors. Fifaninanana goavana mbola anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ho an’ny basikety 3×3. Efa anatin’ny programa avokoa ireo fifaninanana miisa dimy ireo, hoy ny filohan’ny FMBB ary mbola misy ireo fifaninanana mbola an-dalam-pandinihana, toy ny “Afrobasket U16” sy ny “Afroca” izay nangatahan’ny Fiba ny handraisan’i Madagasikara ity lalao ity. Miankina amin’ny daty ny hahafahana manaiky na tsia, satria mety hifanindry amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto izany.

Efa manomana

Efa anatin’ny fanomanana tanteraka amin’ireo fifaninanana goavana miandry ny ekipa malagasy, amin’izao. Nanomboka ny herinandro teo ny fampivondronana ho an’ny Ankoay ahitana mpilalao 14 mirahalahy. Fampivondronana tarihin’ny Coach Randria Aimé. Etsy ankilany, an-dalam-piresahana amin’ny Fiba ny FMBB, mba hahafahana manao “World Tour”, hiomanan’ireo Ankoay Seniors, hiatrika ny “World Cup 3×3”. Mendrika fanomanana any ivelany amin’ny firenena maromaro izany fiadiana ny tompondaka eran-tany izany, hoy hatrany ny fanazavan’ny filohan’ny FMBB.

Mi.Raz

Partager sur: