Hiditra amin’ny andiany faharoa ny “Echange Nationale”, fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny, U9, U12, U14. Hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy sy CRJS Toamasina izany, ny 27, 28 ary ny 29 desambra ho avy izao. Sekolin’ny baolina kitra miisa fito no hifampitana amin’ity, ka telo avy ao Toamasina dia ny RCOM Adel, ny Atafana, ny Talenta Akademia. Efatra kosa avy eto Antananarivo dia ny 67 City, ny JSEM, ny Bayern ary ny Jet Mada.
Baolina kitra lalaovin’olona sivy ny “Echange Nationale” ka 15 mn indroa miditra ny faharetan’ny lalao iray. Afaka mampilalao ankizivavy ny ekipa raha mahafeno ny fepetra sy isa ka ao anatin’ilay taona hifaninanana. Tanjon’ny RCOM Adel sy i Angelo Bellah, mpikarakara ny fifaninanana, ny hisian’ny fifanakalozana sy ny fifampikasohana eo amin’ireo ankizy. Homena mari-pahatsiarovana sy medaly ny mpandray anjara rehetra. Ankoatra izay, hisy fanendrena mpilalao sy mpiandry tsatoby mendrika indrindra, ao koa ireo mpamono baolina betsaka. Mendrika hoderaina ny hetsika toy izao mba hananana kilonga taninketsan’ny baolina kitra
Tompondaka