Taorian’ny fahavitan’ny “Mondial 2022”, tany Qatar, tsy niandry ela fa avy hatrany dia niverina nanao fanazarantena i Kylian Mbappé. Mbola izy irery no manatanteraka izany, omaly alakamisy, tany amin’ny ivontoerana “Camp des Loges”, fanaovan’ny Paris Saint- Germain, klioba ilalaovany, fanomanana. Tsiahivina fa voahosotra ho mpilalao mpamono baolina be indrindra i Mbappé, nandritra iny “Mondial” iny, nahatafiditra baolina valo.
Izy irery ihany koa hatreto no hany mpilalao nahavita namono baolina telo tao anatin’ny famaranana amin’ny “Mondial”. Ankehitriny, fantatra fa misy ratra eo amin’ny tongony, araka ny fanambaran’ny mpitsabo azy, saingy efa an-dalana ny fitsaboana azy. Marihina fa feno 24 taona tamin’ny 20 desambra lasa teo ny tovolahy. Maniry ny hanohy fiofanana irery mialohan’ny fanazarantena miaraka amin’ireo mpilalaon’ny PSG. Taitra tamin’ity finiavan’ity mpilalao frantsay ity i Christophe Galtier, mpanazatra ny PSG. “ Mpilalao matihanina i Mbappé, ankafiziko izao finiavany izao. Mety hampiseho zavatra goavana ho an’ny mpankafy PSG izy amin’ny taona ho avy io. Tsiahivina fa hihaona amin’ny ekipan’ny Bayern izahay ny 14 febroary 2023 izao. Ilaina ny fanomanan-tena toy izao.” hoy ny mpanazatran’ny PSG.
Fitia