Fiadidiana ny Repoblika: mitaky asa ahitam-bokatra sy mba ho modely ny filoha

Nanamarika ny fetin’ny Noely, ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, omaly, teny Iavoloha. Nanafatrafatra ny mpiasa ny filoha Rajoelina Andry mivady, tamin’izany.

“Mila ezaka sy fahitsiana avy amintsika mpiasa eto anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny firenena. Aoka ho fitaratra sy ho modely amin’ny asa manoloana  ireo Andrimpanjakana sy Minisitera. Mitaky asa ahitam-bokatra avy amintsika izany”, hoy izy. Notsiahiviny fa miainga avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika avokoa ny toromarika sy ny asa fampandrosoana ny firenena. Tokony hifampizarana ny asa, ilana fiaraha-mientana sy ny firaisankina, araka ny nambarany. “Tokony samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay“, hoy hatrany izy. Nirary soa ho an’ny rehetra ny Filoha mivady teo am-pamaranana ny lahateniny.

Nialohavan’ny fotoam-pivavahana fohy, ho an’ireo mpiasa maherin’ny 2 000 sy ny Filoha mivady ary ny firenena izany. Narahin’ny lahatenin’ny sekretera jeneraly, Pelandroy Esperance, nitondra ny fanomezan-toky amin’ny hanatanterahana ny asa anaty firaisam-po sy fitiavan-tanindrazana. “Tsy hikely soroka, ho mendrika sy hifanaja ary hifanohana hatrany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: