Nifarana omaly, teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, taranja kempo. Ady famaranana miisa 20 no nitranga, omaly zoma. Fifaninanam-pirenena andiany fahadimy hatramin’izay nisian’ny taranja kempo sy MMA (Mixed Martial Arts) teto Madagasikara ny tamin’ity taona ity . Anisan’ny nampavitrika ireo mpikatroka, raha ny nambaran’ny filoha mpitantana ny kempo sy MMA, Rakotonindriana Parfait. Nahatratra 80 mianadahy avy amin’ny ligin’Analamanga, Atsinanana, Itasy, Vakinankaratra ary Matsiatra Ambony, ny nandray anjara. Tanjona ny nitiliana izay mpikatroka mendrika handrafitra ny ekipa nasionaly hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany , ny volana avrily 2023, raha ny fanazavana hatrany. Hentitra,araka izany, ny teo amin’ny lafiny fitsarana sy fanarahana ny fitsipika ny mpitantana.
Raha hiverenana ny vokatra, nisongadina ny klioban’ny CSLA izay nahazo ny ampahany betsaka tamin’ny fandresena. Ady nahavariana ny fihaonana teo amin’i Rhino (CSLA) sy Kevin (WFC), teo amin’ny sokajy Full Kempo, latsaky ny 55 kg. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fampisehoana na « démonstration », kenpo nenti-paharazana, Kenpo Self Defense, kenpo Form ary diamanga Moring, nandritra ny famaranana, izay tena nampiavaka tanteraka ity andiany fahadimy ny fifaninanam-pirenena ity.
Mi.Raz