Mifangaro ao anatin’ny lisitry ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, ireo mpilalao manana traikefa sy ireo teknisianina. Vonona ry zalahy, hiatrika ny fifaninanana.
Namoaka ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2023 », hatao any Alzeria, omaly, Rakotondrabe Romuald (Roro), mpanazatra. 26 ny isan’ireo hiatrika izany.
Nangataka ny hampitomboana ny isan’ny mpilalao ny mpanazatra, hisorohana ny mety ho ratra hahazo azy ireo, satria mbola hiatrika lalao fitsapana roa atsy Tonizia ny Barea, mialoha ny hihazoany an’i Alzeria. Mifangaro ao amin’ity lisitra ity, ireo mpilalao manana traikefa sy efa zatra lalao iraisam-pirenena sy ireo tanora zandriny misy traikefa. Mifameno tsara ireo, nantsoina ireo, araka ny nambaran’ny mpanazatra.
Amin’ny alatsinainy 2 janoary no hanainga ny Barea ka hijanona ao Tonizia mandritra ny herinandro. Hiatrika lalao tsapa amin’ny klioba iray ao an-toerana sy amin’ny ekipam-pirenena, raha tsy misy ny fiovana. Ny 11 janoary vao hamonjy an’i Alzeria. Tsiahivina fa any amin’ny kianja Constantine, no hifanintsana ny vondrona «C», misy ny Barea de Madagascar, no hiatrika ny fifanintsanana.
Lalao voalohany, ny fifandonana amin’i Ghana ny 15 janoary. Hifanehatra amin’i Maraoka kosa ny 19 janoary ary amin’i Soudan, ny 23 janoary.
Tompondaka