Petite vitesse: omen’ny filoha alalana hiasa ireo mpivarotra mandritra ny fety

Manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse, nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra. Nambaran’ny filoha tamin’izany fa omena alalana malalaka hivarotra ireo mpivarotra, ho fitsinjovana azy ireo hiatrika ny fety. “Fanapahan-kevitra nifampidinihana niaraka tamin’ny kaominina” io, raha ny fampitam-baovao. Tsy maintsy hajaina kosa anefa ny fepetra amin’ny tsy maintsy hanadiovana ny toerana avy hivarotana rehefa mirava ny tsena, hoy ny filoha. Naneho fahavononana hanaraka ny fandaminana ireo mpivarotra.

Synèse R.

Partager sur: