Rugby – Federasiona frantsay: nanaiky hiato i Bernard Laporte fa tsy hiala

Tsy nandà ny sazy fampiatoana, amin’ny maha filohan’ny federasiona, taranja rugby frantsay (FFR) azy, i Bernard Laporte. Saingy tsy manaiky ny hanasorana azy tsy ho filoha intsony. Araka ny vaovao hita, tao anaty tambajotran tserasera, omaly. Hijanona amin’ny asany ity lehiben’ny FFR ity, mandra-piandry ny fitsarana azy farany. Raha tsiahivina , voaheloka nanao kolikoly i Bernard Laporte, ary voasazy higadra mandritra ny roa taona an-tranomaizina. Andrasan’ny rehetra, araka izany, ny mety hisolo ny toerany.

Saingy nilaza ity filoha ity fa araka ny andininy faha-13n’ ny fitsipika anatiny ao amin’ny FFR, afaka mandimby ny toeran’ny filoha ny tompon’andraikitra lefitra, noho io sakana mahazo azy io.

Mizotra amin’io hevitra io ihany koa ny birao federalin’ny FFR, izay nivory ny alatsinainy teo. Nohazavain’izy ireo tamin’ny fanambarana an-gazety fa nanaiky ny hevitry ny komity federaly misahana ny etika sy ny deontôlôjian’ ny rugby frantsay, izy. Hevitra milaza ny hialany filohan’ny FFR mandra-pahatongan’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana heloka bevava farany.

Miteraka olana be ho an’i Amelie Oudéa –  Castéra, minisitry ny    Fanatanjahan-tena frantsay ity raharaha ity. Nefa izy ireo no handray  ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, ny zoma 8 septambra 2023 ho avy izao.

Fitia 

Partager sur: