Handball: tsy mbola zakan’ny Akio de Madagascar i Afrika

Ratsy ny vokatra ho an’ny taranja iraisana handball sy ny beach soccer, raha ny fifaninanana afrikanina ho an’ny ekipam-pirenena no lazaina, tamin’ity taona 2022 ity. Tsy nahazo fandresena mihitsy ry zalahy, tamin’ireo fihaonana rehetra natrehiny. Mila ezaka ny fiatrehana ny taona vaovao 2023.

Lavitra ho an’ny handball malagasy ny Kaontinanta afrikanina raha ho an’iny taona 2022 iny, no ambara. Raha tsorina, tsy mbola zakan’ny Akio de Madagascar i Afrika. Ratsy mantsy ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ireo fifaninanana kaontinantaly roa natrehan’ny Akio.

Raha tsiahivina, ho an’ny “senior” vehivavy izay niatrika ny andiany faha-25, niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), notanterahina tany Dakar. Fihaonana notontosaina ny 9 ka hatramin’ny 19 novambra lasa teo. Tsy nahazo fandresena mihitsy ny Akio vehivavy, nandritra izany fifaninanana izany. Resy intelo, nanoloana an’i Senegal sy i Côte d’Ivoire ary i Kameronina, tao amin’ny vondrona nisy azy.

Mbola niatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha, izay natokana ho an’ireo ekipa resy tany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, saingy niondrika indray nanoloana an’i Cap-Vert.

Tsy nifanalavitra fa nitovy tamin’izay vokatra azon’ny vehivavy izay ihany koa ny teo amin’ny Can sokajy U18, zazalahy. Lalao natao tany Roandà, ny 30 aogositra ka hatramin’ny 6 septambra lasa teo. Tsy nahita mangirana ihany koa ny Akio de Madagascar, fa nibaby faharesena hatrany. Intelo lavo tao amin’ny sokajy “B”, raha nidona tamin’i Egypta sy i Alzeria ary i Roandà, mpampiantrano. Nitana ny laharana farany ka niatrika ny fiadian-toerana ,saingy mbola resin’i Lybia ka nitana ny rambony. Tsy nahagaga ny vokatra satria sambany vao niatrika izany, ity sokajy zandriny ity.

Voalohany aty amin’ny faritra fahafito

Na teo aza izany, efa mametraka ny tantarany aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina kosa ny U20 zazalahy. Norombahin’ny Akio de Madagascar mantsy ny amboara, teo amin’ny IHF Trophy. Fihaonana natao teto Madagascar, ny  24 ka hatramin’ny 27 novambra lasa teo.

Tsy nisy afa-tsy firenena telo no nifanandrina tamin’io dia ny Akio, ny Club M Maorisy ary i Seychelles. Nifandimby nihaona ny ekipa telo tonta ka nihaona teo amin’ny famaranana izay be isa indrindra. Nandresy an’i Seychelles sy i Maorisy, teo amin’ny fifanintsanana ny Akio. Niverina nidona tamin-dry zareo Maorisianina, teo amin’ny famaranana ka nandresy tamin’ny isa 37 no ho 22. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly ny Akio U18, ny volana janoary ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: