Jery todika… ivoho

Amin’ny famaranan-taona na tonon-taona toy izao, fomba ny manao jery todika ny lasa: inona ny tsy vita, ny mila harenina, ny tsara tohizana? Miainga amin’izany ny famaritana sy fanoritsoritana ny hatao sy kendrena amin’ny ho avy. Sao ny eo tsy vita ka be famaritra, na efa nitera-pahavoazana ny teo aloha nefa tohizina. Ilaina ny mandinika ny lalana nodiavina raha te ho lasa alavitra, mijery ny asa natao raha te hahavita tsara sy bebe kokoa. Lanja miakatra ny fiainana! Na ahoana na ahoana, be lavitra hatrany ny mbola tokony hatao noho izay kely natomboka.

Zava-dehibe ny fanaovana tombana ny lasa, fa miankina amin’izay ho avy. Raha tsy fantatry ny tena izay handehanana sy hitodihana, jerena izay niaingana sy niaviana. Toy ny fijerena vodilanitra, hono, ny fijerena ny tanjona amin’izany, arakaraka ny andehana sy androsoana no ikisahan’ny tanjona ihany koa. Tsy misy fiafarana? Na ahoana na ahoana koa, tsy maintsy  ilaozana fa tsy azo iverenana ny lasa ary tsy azo ijanona ny ankehitriny. Mandeha sy mihazakazaka ny fotoana sy ny hafa rehetra manodidina ny tena. Koa izay tsy mandroso dia naman’ny mihemotra.

Izay koa no tsy ahazoana mionona na mianina fa hoe afa-po amin’ny lasa sy ny vita ny tena, anaovana jery todika… ivoho. Lasa ny lasa fa tsy hovisavisaina sy hotanisaina lava. Ndeha hamoha fota-mandry? Ny tsara amin’izany, mety ananana alahelo satria tsy hiverina na azo iverenana intsony; ny ratsy, efa ratsy ka mety maharary sy mampalahelo ho azy rahateo na mety hanakivy aza. Mila todika ivoho? Na azo atao ihany aza ny mamerina izay tsara vita teo aloha, tokony ho tsara sy be lavitra noho izany ny atao sy kendrena hatao amin’ny ho avy… hijerena lavitra kokoa.

Amin’izany, tsy toeram-piantsonana ny fari-toe-javatra misy sy iainan’ny tena fa lalana lalovana: any aloha any hatrany ny tanjona, izay miova sy mikisaka arakaraka ny fandehanana sy fandrosoana. Mby aiza? Taona itsy, itsy ny lalana; taona ity, ity ny lalana; taona iry, iry ny lalana. Mila fiovana sy fanovana ny tanjona amin’izany? Na ny fomba fijery, ny fomba fiasa… Natao hiova na hovaina ny zava-drehetra? Izay tsy miova na tsy manova, ovainy ho azy hanaraka ny onjany. Na izay hoe tsara izao aza, mila ovaina ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany… Alao hery àry!

Rafaly Nd.

Partager sur: