Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hanafatra trakitera ny fitondram-panjakana

Nitondra fanazavana momba ny toe-draharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny hanavaozana ny tontolon’ny fambolena hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika fa hanafatra trakitera ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, niainga amin’ilay lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena. “Ha­tsangana koa ny ozinina hamokatra zezika ho fanohanana ny tantsaha”, hoy izy. Noderainy manokana ny fiaraha-mientan’ny vahoaka tamin’ny nandraisana izany fivoriana iraisam-pirenena izany. Anisan’izany ny fanadiovana ny tanàna sy ny fandraisana andraikitry ny minisitera ka nahitana ny fiovan’ny toe-tsaina.
Natsidiny koa fa hisitraka ny famatsiam-bola avy amin’ny COI ny faritra rehetra ary tombony amin’izany ny fananan’i Madagasikara velaran-tany midadasika azo hambolena.
Etsy andaniny, nanterin’ny filoha fa anisan’ny vahaolana amin’ny delestazy ny tetikasa “Parc solaire”. Eo koa ny handehanan’ny filoha Rajoelina any amin’ny “Iles Eparses”.
Miala ny minisitra tsy mahavita
Tsy hiandry fiafaran’ny fe-potoam-piasana vao hanome vokatra sy ny fiantraikan’izany amin’ny vahoaka. Tsy maintsy tafapetraka mialoha ny faran’ny taona ny tanjaky ny herinaratra 120MW, araka ny nambarany. “Miala ny minisitra raha tsy mahavita izany”, hoy izy.
Notsiahiviny koa fa anisan’ny tombony tamin’ny fitsidihan’ny filoha frantsay teto amintsika ny sonia fiaraha-miasa amin’ny tohodrano famokarana herinaratra ao Antetezambato, ny fanofanana ireo dokotera mpandidy, ny angovo azo amin’ny rivotra. Eo koa ny hanamorana ny “Visa” mihazo ny atsy La Réunion. Ny fanatsarana ny zotra an-dalamby ary ny famafana ny trosantsika. Manampy izany ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite frantsay.
Ankoatra izay, nampiomaniny fa hiova endrika ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena. Anisan’izany ny ho endriky ny fanamiana, vaovao, ho an’ireo Foloalindahy.

Synèse R.

Partager sur: