Tafakatra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Angletera “League Cup”, ny Manchester City. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Liverpool, teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium, ny alakamisy lasa teo. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta. Ry zareo citizens no nanokatra ny isa, tamin’ny alalan’i Erling Haaland, teo amin’ny minitra faha-10. Nosahalain’i Fabio Carvalho ny isa, 10 mn taorian’io. Niezaka nanova paikady ny roa tonta, ka namono baolina faharoa, i Mahrez ho an’ny City, vao nanomboka 2 mn ny fidirana faharoa. Tsy naharitra ela nefa izany fa nanasahala ny isa indray ny Liverpool. Baolina tafiditr’i Salah, teo amin’ny minitra faha-48. 10 mn, taorian’io matin’i Nathan Aké, ny baolina fahatelo, izay nitondra ny fandresena ho an’ny Man City.
Fitia