Randrianasoloniaiko Siteny: Malagasy faharoa, tafapetraka ho filohana federasiona eto Afrika

Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra teo amin’ny taranja Judo, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy eto Madagasikara ihany izy no fantatra eo amin’ity taranja ity, fa eo amin’ny sehatra Afrikanina sy iraisam-pirenena ihany koa.

Voafidy ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo), ny 18 mey 2022, ary izy no Malagasy faharoa taorian’ny filoha Ahmad, mitana ny andraikitra filohana federasiona afrikanina. Filohan’ny federasiona malagasy ny Judo intelo nisesy, Randrianasoloniaiko Siteny, talohan’ny nahalany azy ho filohan’ny UAJ.

Torak’izany koa ny maha filohan’ny Komity Olympika malagasy azy, mandraka ankehitriny. Andraikitra goavana hiandraketany, ankoatra ireo, ny maha filoha lefitry ny federasiona iraisam-pirenena ny Judo azy, izay tena nitondra soa ho an’ny judo malagasy tokoa, indrindra amin’ny fahafahana miatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro.

Tsy kisendrasendra ny niangalian’i Siteny ny taranja Judo, fa efa rà nikoriana tao anatiny. Vao 12 taona monja izy no niditra teo amin’ity taranja ity. Tsy nanana fahafahana hianatra toy ny zanak’olona rehetra izy, tamin’ny fahazazany. Fa noho  ny nahazoany vatsim-pianarana tamin’nytaranja Judo no nanaraotany nandrantoana fianarana.

Anisany Antony mandrisika azy hanampy ireo tanora malagasy sangany hanohy fianarana any ivelany izany tantaram-piainany izany. Fanta-daza amin’io fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra io mantsy raha Randrianasoloniaiko Siteny. Manana traikefa amin’ny fandraisana fifaninanana iraisam-pirenena. Mpikatroka ny taranja Judo no niantombohany, nitohy tamin’ny fitantanana ary hitan’ireo mpisehatra ity taranja ity teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa olona azo ametrahana fitokisana amin’ny resaka fifaninanana izy.

Anisan’ny angady nananana ireny fandraisana ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika teto Madagasikara ireny, Randrianasoloniaiko Siteny sy ny ekipany. Toy ny tamin’ny taona 2019 sy 2020, ka nanomboka natokisan’ny sehatra iraisam-pirenena an’i Madagasikara amin’ny fandraisana fifaninanana iraisam-pirenena. Nahafantarana azy ny Kids Games. Tsy ny taranja Judo ihany no nahafantarana an-dRandrianasoloniaiko Siteny. Nisy izany “Nids Games” izany ny taona 2007, izay izy no namolavola ny hetsika. Ankizy amana hetsiny manerana an’i Madagasikara no vory lanona teo Mahamasina tamin’izany, nandray anjara tamin’ny Kids Games. Fifaninanana tamin’ny taranja maro, toy ny baolina kitra, basikety, judo, atletisma, no natao. Mba hananan’ny ankizy saina matsilo sy vatana tomady ny tanjon’ny kids Games. Ankoatra ny fifaninanana, nisy fizarana fitaovana ara-panatanjahantena, tamin’izany ary nisy mihitsy ny fitetezam-paritra.

Mi.Raz

 

Partager sur: