Nifarana ny 11 desambra lasa teo, tany amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Fihaonana voalohany natao tany amin’ny faritra, ho an’ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Raha ny vokatra, mbola nanjakan’ireo mpilalaon’ny ligin’Analamanga avokoa ny ankamaroan’ny sokajy, nifaninanana.
Anisan’ny nisongadina, teo amin’ny «1 ère série» sokajy vehivavy, Rasendra Miotisoa. Resiny, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3, 6/0), Razafinarivo Mirindra. Mbola Analamanga ihany koa ny tompondaka ho an’ny “1ère série” lehilahy, izay norombahin-dRakotomalala Roméo. Lavony teo amin’ny faramanana, Raharivony Nicolas. Seta 2 no ho 1, (4/6, 6/1, 6/4) ny nisarahan’izy mirahalahy.
Marihina fa, nahatratra 120 mianadahy mianaka, ireo mpifaninana, niatrika izany izay avy amin’ny ligim-paritra miisa fito dia Amoron’i Mania, Antsinanana, Atsimo Andrefana, Boeny, Vakinankaratra, Analamanga, Matsiatra Ambony.
Tsiahivina fa, natao hifantenana ireo mpilalao hiatrika ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara, iny fifaninanam-pirenena iny. Ankoatra izay, nahazo fankatoavana “quitus” 100 %, tamin’ireo filohan’ny ligim-paritra mandrafitra azy, ny filohan’ny federasiona Malagasy (FMT), i Naina Zandina sy ny ekipany, taorian’ny fivoriambe ara-potoana, natao ny asabotsy 10 desambra lasa teo, izay natrehin’ny solontenan’ny ministeran’ ny fanatanjahantena sy ireo kaomisionina ara-teknika rezionaly (CTR).
Fitia