Judo – Mada 2022: judokas 329 ny hifaninana hatreto

Hatao, anio, ny atsapaka sy fandanjana, mialohan’ny hiatrehana ny fifaninanana, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka an’i Madagasikara, taranja Judo. Fifaninanana hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, rahampitso sy rahafakampitso.

Mavitrika ny mpandray anjara, amin’ity fandaharam-potoana hamaranana ny taona 2022 ity. Efa manodidina ny 329 no nanao ny « engagement » handray anjara amin’izany. Avy amin’ireo ligim-paritra 8, ahitana ny avy any Vakinankaratra, Analamanga, Itasy, Amoron’i Mania, Ihorombe, Atsimo andrefana, Atsinanana ary Matsiatra ambony no handray anjara. Andrasana hatramin’ny anio kosa ny mety ho isa faran’ireo mpandray anarana rehetra.Tafiditra hatrany amin’ny fitiliana ireo hifantenana, handrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny Lalaon’ny Nosy 2023 moa ity fifaninanam-pirenena ity, ankoatra ireo fifaninanana efa notontosaina rehetra ho an’ny taranja Judo. Azo antoka, araka izany, fa hiady ny fifandonana satria ho tazana ao avokoa ireo judokas kalaza sy manana ny maha izy azy. Ho avy maro koa anefa ireo judokas vao misandratra, manomboka mametraka ny anarany. Tsiahivina, fa taranja anisan’ny mihetsiketsika ny Judo ary tao anatin’ny telo volana teo izay, nahavita nikarakara fifaninanana telo izy ireo, isan’izany ny « Tournoi de Toussaint », natao tamin’ny fiandohan’ny novambra, narahan’ny « Tournoi International de Madagascar », ary izao faranany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izao. Sokajy Benjamins, Cadets, Juniors ary Seniors ny hifaninana mandrita ny herinandro, ka hatao rahampitso ny fifanintsanana ary ny alakamisy 29 desambra kosa ny famaranana. Nisy fotoana, nitaraina ny filohan’ny Federasiona, Said Bruno, fa tena mavesatra ny fikarakarana ireto fifaninanana ireto,indrindra ilay « tournoi international de Madagascar », izay nisy avy atsy amin’ny Nosy La Réunion » tonga namaly ny antson’ny FMJ, izay niaraka tamin’ny delegasiona mafonja mihitsy. Saingy noho ny ezaka sy finiavana nataon’ny federasiona, dia tontosa avokoa izany.

Mi.Raz

Partager sur: