Tandindomin-doza

Tena mihanoka anaty  fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny orana manerana ny  faritra maro eto amin’ny Nosy. Andaniny, ao  ny sahirana sahady amin’ny  ranobe. Mitaintaina amin’ny trano fonenana sao ho lasan’ny rano na mirodana. Tsy ferana ny miara-matory amin’ny maloto izay hatsinkafon’ny rano satria aloan’ny lakandrano  tsentsin’ny fako. Sady maharikoriko no mahonena saingy io ilay andavanandron-dRamalagasy. Iza anefa no homen-tsiny ? Matetika mahamaika ny hiampanga ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Vitsy no mandini-tena sy mahatsapa fa mandrora mitsilany. Maro ny voka-dratsy aterak’izany, indrindra amin’ny fahasalamam-bahoaka.

Ny Covid 19 ity, miha miakatra isan’andro ny isan’ny marary. Tsy ho azo ferana ny aretim-pivalanana sy ny aretin-koditra noho ny loto. Tandindomin-doza ny rehetra, indindra ny ankizy madinika.

Etsy ankilan’izay, tsy azo tsinontsinoavina ny voka-tsoa ateraky ny orana. Velom-panantenana  ny  mpamboly. Mihazakazaka ny fividianana masimboly sy ny zezika. Indrokely anefa, tsy an-jaza ihany koa ny vidiny.  Tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny tantsaha intsony izany. Tsy mifidy toerana io, na any ambanivohitra aza. Hafa ny taloha, nanana tahiry sy ambim-bava ny tantsaha,  afaka manodina  ny teo am-pelatanany. Amin’izao fotoana izao, tsy maintsy mamoaka am-paosy. Hatramin’ny zezika aza vidiana, manta ny nofon-tany. Efa misy fiantraikany goavana amin’ny fambolena ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Toerana vitsy sisa no azo lazaina fa lonaka sy tena mamokatra ara-boajanahary. Misy fiantraikany amin’ny tetiandrom-pamokarana rahateo izany. Tsy mahagaga, raha efa volana desambra isika, anisan’ny mba manavotra amin’ny maitsoahitra ny hanin-kotrana. Zara raha mahavokatra  ny tantsaha amin’izao. Tsy mahagaga raha misarangotra amin’ny fividianam-bary ny vahoaka. Mampiakatra ho  azy  ny vidiny. Mahatratra 800 Ariary ny kapoaka. Ny katsaka sy ny mangahazo lena, mbola zara raha mahita eny an-tsena.

Manoloana izany, miraviravy  tanana ny olon-drehetra. Tsy afaka  hiady amin’ny  natiora, izay  iarahan’ny rehetra mahita fa mikomy mamely ny zanak’olombelona amin’ny endriny maro. Manomboka misy ny mamoy ny ainy na olombelona na biby. Mihabetsaka ny rava fananana. Hatreto, tsy maha     manampahaizana ny valifaty ataon’ny zavaboahary amintsika. Eo indrindra no hilana fahamalinana sy fahamailoana amin’ny fihetsika tokony hatao. Anatin’ny vanim-potoan’ny rivodoza rahateo i Madagasikara, mitaky fitandremana sy fisorohana mafimafy kokoa. Tandindomin-doza !

r.r

Partager sur: