Ho fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny ligin’Analamanga basikety, amin’ny ligim-paritra hafa, nanafika tany Antsirabe ny ekipan’Analamanga voafantina, niatrika lalao ara-pirahalahiana. Nambaran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Andriatsima Hery fa natao izao fifanakalozana izao hampitomboana ny lentan’ny mpilalao, na ny mpilalaon’i Vakinankaratra izany, fa indrindra ny mpilalao avy eto Analamanga. Eo ihany koa ny fanatanterahana ny politika fampandrosoana ny taranja basikety. Nahafahana nanome risi-po sy herijika ho an’ny mpilalao ny niatrehana ity lalao ity, izay nitondran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga fisaorana ho an’ny tomponandraikitra nikarakara ny lalao. Mbola hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ligy roa tonta ary hanomboka hisokatra amin’ ny ligy hafa ihany koa ny ligin’Analamanga. Nandray anjara tamin’ny lalao, nokarakarain’ny ligin’i Vakinankaratra ity, ny sokay U12, U14, U16 ary U18, lahy sy vavy, raha ny fanazavana hatrany.
Tsiahivina efa nisy ny lalao nifanandrinan’ny ekipan’ Analamanga sy Vakinankaratra voafantina, natao teto Antananarivo, nandritra ny hetsika namaranana ny taona nokarakarain’ny ligin’ Analamanga, ny “Ligue en fête”, ny 10 sy 11 desambra lasa teo, teny amin’ny kianjan’Ankatso.
Mi.Raz