Efitranon’i Messi : nataon’i Qatar tranombakoka

Mbola manakoako any Qatar, hatramin’izao ny akon’ ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja baolina kitra «Mondial 2022”, in­drindra fa ny nahazoan’i Arzantina, ny amboara fa­nin­telony. Anisan’ny mahasarika ireo mpizahatany ton­ga any an-toerana, amin’izao fotoana izao, ny mitsidika ny efitrano nipetrahan’i Lionel Messi. Raha tsiahivina, nito­e­tra tao amin’ny Oniver­si­ten’i Doha ny ekipan’ny Albiceleste, nandritra ny “Mondial 2022”.

Manoloana izany, notapahin’ny tomponandraikitra Qatari fa atao tranombakoka kely, izany efitrano nipe­tran’ity kintan’ny baolina kitra Arzantin ity izany. Na­metrahana ny anaran’i L.Messi eo amin’ny varavarana B.201 izay nipetrahany sy natoriany nandritra iny “Mondial 2022” iny. Fandriana kely roa, fahitalavitra, birao fiasana, seza roa sy seza lava iray no ao ana­tin’ilay efitrano tsy dia goavana. Inoana kosa fa hahasarika ireo mpankafy azy sy ireo mpizahatany izany efitrano izany.

Hatreto, tsy mbola fantatra ny daty hisokafan’izany tranombakoka kely izany. Mandra-piandry izany, ma­nararaotra mihanoka kely faramparany ny akon’ny “Mondial 2022” ireo mponina ao Qatar.

Tompondaka

Partager sur: