Maty voatifitry ny jiolahy roa lahy nitam-basy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Ranotsara avaratra, ny alin’ny 25 hifoha 26 desambtra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ao an-toerana ireo jiolahy. Nandondona ny varavarana, tsy namaha ny tompon-trano. Nanakana sady niaro ny vadiny tamin’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana tao amin’io tokantrano io. Kinanjo, notifirin’ny iray tamin’ireo jiolahy teo amin’ ny kibony avy hatrany. Tetsy ankilany, nahita ity vadiny voatifitra, nikiry hiaro azy ilay ramatoa.
Mbola notifirin’ny jiolahy basy koa ity farany ka voa teo amin’ ny tanany. Nirifatra nandositra ireo olon-dratsy taorian’ ny fanafihana.
Raiki-tahotra ireo zaza
Nahita ireo ray aman-dreniny niharan’ny habibiana, tsy nisy nihetsika noho ny tahotra ireo zaza telo, zanak’izy mivady voaroba. Tonga nijery ny zava-nisy ny zandary ao an-toerana taorian’ny tranga. Tsy tana intsony ny ain’ilay raim-pianakaviana. Nentina novonjena teny anivon’ny hopitaly ao Ihosy kosa ilay ramatoa vadiny. Noraisan’ny tompon’andraikitra an-tanana ireo zaza vokatry ny rarin-tsaina nahazo azy ireo. Mikaroka ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Marihina fa tsy nisy entana sarobidy lasan’ireo olon-dratsy nandritra ity fandrobana niharo vono olona ity.
Tsiferana Randriatiana