Nafana ny famaranana, omaly, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Nisesisesy ny Ippon teo amin’ny sokajy Minimes.
Hitohy anio, etsy amin’ ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo. Ny sokajy Juniors sy Cadets no hiaka-tsehatra anio, raha toa ka efa nahavita ny anjarany, ny sokajy Minimes sy Seniors, omaly. Niakatra ny lentan’ny mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, indrandra teo amin’ny sokajy Seniors, araka ny fanazavana nentin’ny Tale Teknika Nasionaly, Randriamasinoro Mamy. Fifaninanana, izay nampatsiahy, fa ity no fifaninanana ngezabe indrindra eto an-toerana ho antsika. Mbola hisy kosa, hoy izy ny fifaninanana iray na roa mialoha ny lalaon’ny Nosy 2023, eo koa ny fifaninanana fitsapana farany, hifantenana izay judokas handrafitra ny ekipam-pirenena amin’io Lalaon’ny Nosy io. Ankoatra ny isa azon’izy ireny, jerena manokana ihany koa ny fitondrantenan’ireo judokas eny anivon’ny kliobany, hoy hatrany ity tale teknika nasionaly ity, izay maniry ny hisian’ny fampivondronana farafahakeliny roa herinandro, raha iray volana kosa farafahabetsany. Ilay «Open de St Denis La Réunion» kosa no fifaninanana farany hifandonan’ireo judokas aty amin’ny ranomasimbe Indianina, mialoha ny Lalaon’ny Nosy, ka maniry ny handray anjara amin’izany ny federasiona.
Tsiahivina, judokas 250 tamin’ireo 329 nisoratra anarana no tonga niatrika ity fifaninanam-pirenena ity, avy amin’ireo ligim-paritra fito tamin’ireo valo nanambara ny fahatongavany.
Mi.Raz
Minimes
-38kg: Revaka Tolotra Yvan (ASCO)
-40 kg: Rakotonasolo Maharitra (HAK)
-42 kg: Razakarison Finoana (Jirama)
-44 kg: Niando Thierry Lucia (COSFA)
-46kg: Randrianasolo Reno (ESCA) ippon
-48 kg: Guillemot Anna (JPL)
-50kg: Aina Nirina Hakin (RED) ippon
-52 kg: Rabetafika Avana Colline (ESCA)
-55 kg: Rakotomalala Sanda (ASM) ippon
-60 kg: Ralitera Heriniaina Ny Aina (JCM)
-63 kg: Ravelomanantsoa Laurélie (ASC) ippon.