Kianja Rabemananjara : hametrahana bozaka vaovao

Noho ny fitarainan’ny mpijery baolina kitra ao Ma­ha­janga, mahakasika ny fa­ha­simban’ny kianja Rabe­ma­nanjara, namaly ny hetahetan’izy ireo ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoe­lina Andry, amin’ny fanamboarana izany. Asa izay efa natomboka tamin’ny alatsinainy 26 desambra lasa teo.
Marihina fa ny tomponandraikitra ao amin’ny ki­anja Rabemananjara OGSR (Organe de Gestion de Stade Rabemananjara) no manara-maso akaiky ny fizotran’ny asa. Mandritra ny enina herinandro ny asa fanamboarana ka orinasa tsy miankina iray no manantanteraka ny asa fanarenana. Araka izany, hikatona mandritra ny fotoana hanamboarana azy ny kianja Rabemananjara.
Araka ny fanazavan‘ireo tomponandraikitra, hoesorina tanteraka ilay bozaka artifisialy teo aloha, ary hosoloina vaovao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mety amin’ny volana janoary no ho tonga izany bozaka artifisialy izany. Haverina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany fotodrafitrasa izany, mba ho afaka handray lalao iraisam-pirenena, toy ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), izay hatao eto Madagasikara.
Azo heverina izany ny hiverenan’ny klioban’ny Fosa Junior sy ny Tsara­man­droso FC, handray ny tohin’ ny lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL) any Maha­janga indray. Tsiahivina fa ireo ekipa roa ireo, izay tsy afaka nampiantrano ny lalaon’izy ireo tany Ma­ha­janga, noho ny fahasimban’ ny kianja Rabemananjara.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: