Nikatona tanteraka omaly, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, ny taom-pikatrohana 2022, ho an’ny taranja Judo.
Ho fanamarihana izany fiafaranan’ny taona izany, 37 mianadahy nampiakarina grady (13: 1er Dan, 7: 2e Dan, 14: 3 e Dan, 1: 4e Dan, 2: 5 e Dan) . “Niavaka ity fampiakarana grady ity satria fanapahan-kevitra noraisin’ny federasiona ho fankasitrahana ireo tanora mbola amperinasa kanefa mandray andraikitra eny anivon’ny klioba”, araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly ny FMJ, Randriamasinoro Mamy. Nitohy avy hatrany tamin’ny famaranana amin’ny sokajy Cadets sy Juniors ny fotoana taorian’ny fanolorana grady, izay somary nafampana ny lafiny fitsarana ka nampiteraka korontana kely teny amin’ny latabatra fitsarana. Raha hiverenana ny fizotry ny fifaninanana omaly, anisan’ny fihaonana niavaka ny teo amin’ny sokajy latsaky ny 50 kg, izay 3 sengondra monja dia Ippon , ka nivoaka ho mpandresy i Tolojanahary Jules (CCS). Tsiahivina, tontosa omaly, teny amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fivoriamben’ny federasiona malagasy ny Judo, nanaovana ny tatitra ara-moraly, ara-bola ary ara-teknika, natrehan’ireo ligy. Nandinihana ihany koa ireo fandaharam-potoana miandry amin’ny taona 2023, indrindra ny lafiny fifaninanana.
Mi.Raz
Vokatra
Vehivavy : -48kg: Razafindrakoto Natacha(FJA) (-52kg) – Manevasoa Samantha (Assm) (-57kg)- Randrianantenaina Angela (Jirama Toamasina)
Lehilahy : (-48kg)- Benandro (Esca) (-50kg) – Tolojanahary Jules(CCS) (-55kg) – Ravelomanantsoa Stephano (ASC) (- 60kg) – Ralevazaha (FJA) (-66kg) – Andriamifehy Mirado Esca) Ippon (-73kg) – Razafinanja Mandresy (ASM) (-90kg) – Ravelomihaja Iriantsoa(ASM) (+90kg)- Andriamahazosoa(Hakudokan) Ippon