Nifanena tamin’ny fokonolona, nanenjika mpanafika Cash Point teny Itaosy ny miaramila efa-dahy, hamonjy fodiana. Niharan’ny tora-bato, niala ny lakana niampitany izy ireo. Maty an-drano ny telo. Mpiasa amin’ny Cash point iray kosa, no voatifitra omaly, tetsy Behoririka.
Fanafihana cash-point, niafara tamina fahafatesana miaramila telolahy tetsy anatin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny harivan’ny alarobia 28 desambra teo. Nirongo fitaovam-piadiana, nandroba io cash-point io ny jiolahy efa-dahy. Tsy nanapoaka basy izy ireo fa naka ny vola ary nirifatra nandositra. Nanenjika, avy hatrany ny olon-dratsy arak’izany ny fokonolona. Nisy ny nampandre ny teo anivon’ny zandarimaria.
Nifampizara, nanara-dia ny polisy sy ny zandary ka samy nisy andian’olona nanampy. Voasambotra tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy nitondra ny vola sy ny finday norobainy. Tafaporitsaka kosa ny namany telolahy. Nanaraka tanimbary sy niampita ny ranon’Ikopa ireo olon-dratsy ireo araky ny nambaran’ny mpanara-dia.
Andro niditra
Nifanandrify tamin’ity tranga ity, naharay antso avy amin’ny kaomandin’ny ZDS Ikopa ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Analamanga fa nisy miaramila tra-doza. Miasa ao amin’ny Etamazaoro, eny amin’ny digue manamorona an’Ikopa izy ireo. Manana fahazarana miampita lakana eo amin’io rano io, noho izany, izy efa-dahy ireto rehefa ho any amin’ny faritr’ Itaosy, araka ny tatitra azon’ny zandary.
Kinanjo, nifanandrify tampoka tamin’ny fokonolona nanao fanenjehana ny jiolahy telolahy tafaporitsaka ny fotoana niampitan’ny miaramila. Voatora-bato teny ambony lakana ny miaramila. Voatery niala sy nitsambikina tany anaty rano izy efa-dahy. Vokany, naratra mafy ny iray raha izy tafavoaka ny rano. Tsy hita popoka kosa ny namany telolahy Taorian’ny fikarohana, hita omaly maraina ny vatana mangatsikan’ireo miaramila rehetra lasan’ny rano. Marihina fa nandefa solontena nanao fanadihadiana manokana ny zava-nitranga kosa ny teo anivon’ny Etamazaoro mahakasika ity tranga ity.
Tsiferana Randriatiana