Nifarana ny alakamisy 29 desambra lasa teo ny fampivondronana voalohany, ny mpilalaon’ny Ankoay U19, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay 2023 any Aostralia. Hitohy avy hatrany ny volana janoary 2023 izao ny fampivondronana, hatao isaky ny alarobia sy asabotsy ary hitohy ny volana febroary sy marsa izany. Niakatra ny lentan’ny mpilalao, nandritra izay 10 andro izay, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly, Razafiarivony Solofohery Angelot. “Nisy fivoarana ny fahaiza-manaon’ny Ankoay raha ampitahaina ny lalao fitsapana roa nisesy”, araka ny fanazavany. Mbola misy anefa ny fanatsarana tokony hatao, raha ny nambaran’ny Coach Malala, mpanazatra nanaraka azy 14 mirahalahy nandritra ity fampivondronana ity.
“Mila hamafisina ny eo amin’ny fanoherana, amin’ny fampivondronana manaraka, mila matanjaka ara-tsaina sy ara-batana ihany koa ireo mpilalao”, hoy ny fanazavan’ ny Coach Malala. Miankina amin’ny hoenti-manana ny endriky ny fampivondronana manaraka eo sy ny toerana hanatanterahana izany, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ ny Federasiona malagasy ny basikety.
Mi.Raz