Fahafatesan’i Pelé : nanome voninahitra azy ny mpankafy baolina kitra rehetra

Nodimandry i Edson Arantes Do Nascimento na i Pelé, mpanjakan’ny baolina kitra brezilianina sy eran-tany, ny alakamisy lasa teo. Tao­ri­an’izany, naneho ny fihetseham-pony mahakasika izany, ireo olo-malaza rehetra, tao anaty tambajotra serasera.
Araka izany, nanoratra hafatra ho an’i Pelé ireo kin­tan’ny baolina kitra ankehitriny, isan’izany i Messi, mpilalao Arzantina, “ Mandria am-piadanana”, hoy izy. “Mpi­lalao niaingan’ny aingam-panahy, fitaratry ny mpilalao rehetra, omaly sy anio ary ny ho avy”, hoy indray i Ronaldo, kapitenin’i Portogal. “Maty ny mpanjaka Pelé, saingy ny tantarany mitoetra mandrakizay», hoy ny fanambaran’i Mbappé, mpilalao kalaza frantsay. “Mpilalao nanova ny baolina kitra ho lasa kolontsaina brezilianina i Pelé. Maty izy saingy ny zava-bitany mitoetra foana”, hoy i Neymar, kintan’ny baolina kitra brezilianina.
Ankoatra izay, naneho ny alahelony koa ireo tompon’andraikitra sy ireo manam-boninahitra ambony, toy ny tenin’ny lehiben’ny klioba Santos Brezila. “Mpanjaka mandrakizay, mpamono baolina betsaka indrindra. Tsy misy laharana faha-10 toa azy intsony”, hoy i Lula, filoham-pirenena brezilianina. “Mpi­la­lao tokana. Mandria am-piadanana ianao ry Mpan­jaka”, hoy i Emmanuel Macron, filoham-pirenena frantsay. “Pelé velona mandrakizay!” hoy ny tompon’andraikitry ny baolina kitra eran-tany na ny Fifa.
Hisy ny fiandrasana sy fanomezam-boninahitra ny razana, izay hotanterahina ao amin’ny kianja Urbano Caldeira Santos, manomboka ny alatsinainy izao. Antony, tao amin’io toerana io no nampalaza sy tena nahafantarana azy. Ny fandevenana an’i Pelé, atao any Sao Paulo, tanàn-dehibe iray ao Santos, ny talata 03 janoary ho avy izao.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: