Jery taratra… Mijery lavitra hatrany…

 

Mijoro ny Vondrona maroloko mpanome tanana ny filoha (VMMTF), nilaza fa mahahenika ny faritra 23. “Olon’ny fahendrena sy fifankatiavana isika Malagasy, ka izany indrindra no tokony hamerenana ireo soatoavina ireo”, hoy ny filohany, Rasolofonoroniaina Julia (Mishah). Hanelanelana ary hanampy amin’ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ny vondrona, hampirindra ny fiainam-pirenena…
Nilaza ho tsy nanodikodim-bola ny Komitim-pirenena ny ady amin’ny sida (CNLS), vonona amin’ny fitsirihan’ny Inspection générale de l’Etat (IGE). Nisy tsy fahatomombanana ny fitantantana teo aloha, taona 2019-2020. Na izany aza, eo ny fisian’ny famoaham-bola tsy mifanaraka amin’ny fenitra voasoritra: fividianana fitaovana tsy voasoritra ao anatin’ny fampiasam-bola, ohatra, ny tsy fisian’ny taratasy fanamarinana.
Nankatoavin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) ny fampindramam-bola 250 tapitrisa dolara an’i Madagasikara hanatanterahana ny Tetikasa fiahiana ara-tsosialy sy fiatrehana ny voina (PFSS). Tokantrano sahirana telo tapitrisa (13%) amin’ny faritra 23 no hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fiatrehana ny voina mandritra ny efa-taona amin’izany. Eo, ohatra, ny voina ara-toekarena, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny lafiny fahasalamana…
Nankatoavin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny 5 desambra, ny famatsiam-bola 19,25 tapitrisa dolara an’i Madagasikara hiatrehana ny loza vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Hisitrika izany ny faritra Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany. Anisan’ny hatao amin’izany, ohatra, ny sekoly ravan’ny rivodoza, ny trano fialofana ampiasaina
amin’ny lafiny maro, trano fitahirizam-bokatra…
Fijerena lavitra avokoa izany, na ao anatin’ny fotoana voafetra aza?

R. Nd.

Partager sur: