Tae-Kwon-Do WT : hatao any Toamasina ny fifaninanana

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, eo amin’ny taranja Tae-Kwon-Do WT, ny ligin’ Atsinanana. Hotantera­hina ny 5 ka hatramin’ny 7 janoary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny sokajy rehetra. Hiady izay ho lohany amin’ izany, ireo ligy 9 mandrafitra ny federasiona.

Hanana ny lanjany manokana ity fihaonana ity, satria hitiliana izay handrafitra mialoha “pre-selectionnés”, ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), tanterahina eto Ma­da­gasikara. Hizara roa miavaka tsara ny fizotry ny fifaninanana. Hanokatra izany ny 5 janoary ny “poomsae” na ny fihetsika mirindra. Ny “kirougui” na ny ady kosa ny 6 sy 7 janoary.

Araka ny fantatra, mandray anjara avokoa ny atleta rehetra na ireo tompondaka farany aza. Ampiasaina amin’ity fifaninanam-pirenena ity ihany koa ny “système élec­tro­nique”, amin’ny ady ataon’ ny mpikatroka. Ampiharina amin’izany koa ny lalàna vaovao mifehy ity haiady ity. Raha tsy misy ny fiovana ho­tanterahina amin’izao ihany koa ny fivoriambe ara-poto­an’ny federasiona ka hanaovan’izy ireo ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny ara-moraly, izay hiandrasana “quitus”, avy amin’ireo ligim-paritra.

Tompondaka

Partager sur: