Taona 2023: Iandrandrana fiainana vaovao

Taom-baovao, fanantenana vaovao ! Tsy hoe miandry fahagagana fa miandrandra fiainana tsaratsara kokoa. Mifampirary soa ny mpianakavy sy ny mpiray tanàna, ary ny mpiray tanindrazana. Ho dobom-pitahiana ny taona 2023.

Hanao ahoana ny taona vaovao 2023? Misy ha­trany ny tombatombana, saingy tsy misy mahafantatra izay havoakan’ny ampitso: tsy azo ireharehana, fa na ny anio aza tsy fantatra. Mby an-tsaina avy hatrany amin’ny taona vaovao ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repobli­ka; eny, na any amin’ny faramparan’ny taona aza izany. Mialoha izany, manao ahoana, ohatra, ny fiatrehana ny maitsoahitra amin’izao? Eo ny amin’ny famatsiana sakafo izay saika tsy ampy, na tsy taka-bidy. Mbola misy ireo distrika tsy afa-bela amin’ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy tamin’ny fiandohan’ny taona. Hanao ahoana izany amin’ny taona vaovao? Mampanahy be ihany ny taom-pamokarana amin’izao noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny ma­somboly, zezika, rano… Hanao ahoana ny fiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere?

Ilaina ny fahamarinan-toerana politika
Raharaha mbola miotrika ny eny anivon’ny Antenimie­ram­pirenena, na toa mangatsiatsiaka sy mangina aza? Eo ny amin’ny fitantanam-bola ifampiandrasana ny fanaovana tatitra sy fifanazavana. Mba hi­lamina amin’izay? Toy izany koa ny amin’ny fifandraisan’ ny Antenimierampirenena sy ny governemanta. Ilaina ny fahamarinan-toerana politika, indrindra eo amin’ny samy andrimpanjakana. Ny mpiray donak’afo izao no hoe tsy mifankahazo an-toerana? Vao mainka fa hampian’ny mpanohitra trotraka amin’ny fitakiana ny hanaovana fikaonandoham-pirenena mialoha ny fifidianana…
Mila halamina sy mazava avokoa izany rehetra izany mi­aloha ny fifidianana? Ankoatra ireo raharaha hafa toy ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, ny raharaha fanondranana antsokosoko volamena gaboraraka, ny delestazy mampijaly vahoaka, ny ady tany tsy misy farany, ny sosialim-bahoaka tsy misy tokotaniny be ihany noho ny fidangan’ny vidim-pi­a­inana tsy voafehy, ny fanamboarana ny rafi-pampianarana mahabe adihevitra… Mety mi­an­toka ny fahazoana miatrika amim-pitoniana ny fiainam-pirenena mandritra ny taona izany rehetra izany? Eny, mety ho tonga hatrany amin’ny fifidianana hamaranana ny taona aza…

Mifety aloha izao…
Tsy azo odian-tsy hita izany rehetra izany? Na ahoana na ahoana, tsy hiverina ary tsy azo iverenana intsony izao taona hivalona izao. Ora sisa no isaina. Miatrika fety aloha izao: fifampiarahabana, fifampirarian-tsoa… Ao anatin’ny fifankatiavana, fihavanana, fitiavana… Fiaraha-mijery tanjona vaovao, lalana vaovao… Ho lasa amin’izay ny ratsy rehetra? Azo dinganina amim-pitoniana sy fifampitokisana, firaisankina sy fitiavana, fifampitantanana…
Mirary ny soa sy ny tsara ho an’ny rehetra, ny isan-tokantrano, ny tsirairay… Mba iandrandrana fiainana vaovao tokoa izao taona 2023 izao.

R. Nd.

Partager sur: