Basikety : nodimandry i Veve Prince

Misaona ny tontolon’ny taranja basikety malagasy. Nodimandry, omaly 1 ja­no­ary, i Hajaniaina Veve Prince (Veve Jump).

Mpi­kambana tao amin’ ny federasiona malagasy ny basikety (FMBB), ny tenany. Aretina homamiadana, efa nikiky azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Anisany tena nahafantarana azy, ny fikarakarana ny fifaninanana “Tournoi Jump”. Fi­fanina­na­na, natao ho an’ ireo mpianatra, tany amin’ny taona 1990 – 2000. Efa mpandrindra ny fifaninanana nasionaly ny taranja rugby ho an’ny mpianatra koa izy. Na­me­la mananon-tena sy kamboty mirahavavy, i Veve.

Izahay eto amin’ ny Ga­ze­ty Taratra dia mirary fiono­nana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tonto­lon’ny basikety.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: