NY VINAN’ IREO ATLETA

Rasoanaivo Razafy Laura (Judoka)

-Vinako amin’ity taona 2023 ity, ny hampitombo ny isako hahazoako ny tapakila hiatrehana ny Lalao olympika 2024. Hiezaka ny hitazona ny anaram-boninahitra efa eo ampelatanako aho. Fa­namby ny hahazoako ny tompondaka an’i Afrika so­ka­jy Junior. Ankoatra izay, ha­­ka medaly amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afri­ka sokajy Senior. Hanao izay aha-tompondaka amin’ny la­la­on’ny nosy 2023. Anko­a­tra ireo ny fanatanterahina ny te­­tikasako amin’ny hoaviko eo amin’ny fanatanjahantena”.

Randriamampionona Elly, (Ankoay basikety) 

– Hampitombo ny fanomanan-tena aho amin’ity taona 2023 ity. Tafiditra amin’ny ho fiatrehana ny fiadiana ny amboara erantany 3×3. Torak’izany ny fa­no­manana ny lalaon’ny no­sy, hatao eto Madagasikara. Matoky aho fa hahazo am­boara ny ekipa malagasy, amin’ity fifaninana ity. La­harana fahatelo ny antenaiko ho azontsika, amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3. Hiaraha-mahita eo ny vokatra fa mila fanomanana matotra sy mafy mba hahazoana fandresena.

Razafinirina Stephanie (Mpiangaly Bodybulding)

-Hiezaka hampiakatra ny haavo teknika  sy ny fahaiza-manao amin’ity taona 2023 ity. Tanjona ny mba hahatsara kokoa ny vokatra, indrindra fa ny lalao iraisam-pirenena. Ho tsara noho ny vokatra azo tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany farany teo, izay nahazoana laharana fahatelo maneran-tany, teo amin’ny  “Women’s Model Physic”, no ho azo amin’ity taona ity.

Nangonin’i Mi.Raz

Partager sur: