Tsipy kanetibe: nisongadina ny amboaran’ny filoha

Anisan’ny taranja nampamiratra ny malagasy, ny tsipy kanetibe. Nanjombona sy nisedra olana anefa izany nandritra iny taona nivalona iny. Teo ny tsy fisian’ny lalao iraisam-pirenena, natrehina sy ny namoizana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena. Na izany aza, nisongadina kosa ny fisian’ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny Filoha, izay fahombiazana tanteraka.

Nifamahofaho tao anatin’ny tontolon’ny tsipy ka­ne­tibe, ny tsara sy ny ratsy nandritra iny taona 2022 iny. Niavaka kely ny tsy fisian’ny fivoahan’ny ekipam-pirenena Malagasy niatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena toy ny mahazatra. Tsy nisy mantsy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny ho tompondaka eran-tany, tokony natao fa nahemotra amin’ity taona vaovao ity, raha tsy misy indray ny fiovana. Na izany aza, tsy nandray anjara tamin’ny lalaon’ny tanora (CJSOI), natao tatsy amin’ny Nosy Ma­o­risy ny kilonga Mala­ga­sy. Noho ny tsy fananan’ny fitondrana vola niatrehana izany ny antony tsy nandehanana. Tsiahivina, fa i Ma­dagasikara, no tompon’ny medaly volamena, tamin’ izany. Ankoatra izay, nanamaloka ny tsipy kanetibe ihany koa ny fahalasanan’i Tahiry Rarivomanana, mpi­lalao sady efa mpanazatra ny ekipa vehivavy.

Nahafinaritra kosa ny fisian’ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny Filoham-pirenena, natao teny Ivato, izay sambany no nisiany. Nahasarika mpilalao maro manerana an’i Madagasikara izany, ary nahitana talenta vaovao, betsaka. Fiaraha-miasan’ny federasiona sport boule de Madagascar (FSBM) sy ny fiadidiana ny repoblika. Ankoatra izay, mbola nanamafy ny fahatokisany ny FSBM ny Telma ka manohy ny fanohanany ity taranja mampisongadina ny Malagasy ity.

Tompondaka

Partager sur: