Niala teto Madagasikara , omaly tamin’ny 1 ora maraina, ho any Tonizia, ny Barea. 34 ny isan’ireo olona mandrafitra ny delegasiona, ary ny 23 amin’izy ireo mpilalao. Hiatrika ny lalao roa, fanomanana ny Chan 2023, ny 6 sy 9 janoary, no anton-dia amin’izany.
Niainga omaly tamin’ny 1 ora maraina ho any Tonizia, ny delegasion’ ny Barea Chan. Miisa 34 izy ireo, ka mpilalao ny 23 amin’ireo. Tsiahivina fa hanao lalao ara-pirahalahiana amin’i Congo Brazzaville sy i Niger ny tena anton-dian’ny ekipa Malagasy any Tonizia. Fihaonana hotanterahina ny 6 sy ny 9 janoary ho avy izao.
Marihina fa tafiditra amin’ny fanomanan-tena ny fiadiana ny ho tompondaka ny afrika “Chan 2023” ireo lalao roa ireo. Fifaninanana izay hatao any Alzeria, manomboka ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary ho avy izao.
Ankoatra izay, ny 15 janoary no hiakatra kianja ny ekipa malagasy, hihaona amin’i Ghana, ao amin’ny kianjan’i Constantine. Ny Lionan’i Atlas, Maraoka indray ny miandry ny ekipa malagasy ny 19 janoary, ary hamaranana ny lalao am-bondrona, ny fihaonana amin’i Soudan, ny 23 janoary. Tsiahivina fa ao amin’ny sokajy “C” no misy ny Barea.
Fanamby goavana no miandry ny Barea Chan.
Najanona i François na i Bance
Tsy isan’ireo mpilalao nandeha any Tonizia i Francois na i Bance. Antony, nahena ho 24 ihany ny isan’ny mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena, araka ny fandaminana anatiny teo anivon’ny Federasiona. Tsiahivina fa 26 no isan’ny mpilalao nangatahan’ny mpanazatra ny Barea Chan, Rakotondrabe Romuald na i Rôrô.
Amin’ny 11 janoary kosa vao hiala eto an-tanindrazana hamonjy mivantana azy ireo any Alzeria i Radokely.
Fitia (Mpianatra asa)