Rakotozafy Rosa, Tale jeneralin’ny spaoro, MJS
Miarahaba ny mpitantana sy mpanao fanatanjahantena rehetra. Mirary fahombiazana tanteraka, indrindra amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena isan-karazany ho an’ny taona 2023 izay hahitana ny lalao afrikanina, ny “Jeux de la Francophonie” ary indrindra ny Lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara. Anaty fifehezantena tanteraka, fahazotoana ary fametrahana tanjona no hahazoana vokatra tsara.
Razafiarivony Solofohery Angelot, Tale teknika nasionalin’ny FMBB
Mirary soa ho an’ny basket malagasy izay hiatrika ady mafy amin’ity taona ity. Ny Ankoay U19 lehilahy, hanao “World Cup 2023”, ny Ankoay Senior lehilahy sy vehivavy, hifaninana amin’ny lalaon’ny Nosy 2023 hatao eto Madagasikara ary ny Ankoay Senior hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, basikety 3×3. Hahazo vokatra tsara sy hahomby avokoa amin’ny ady hatrehina.
Ranaivoson Mamy, filoha lefitry ny federasion’ny volley
Mirary fahasalamana feno sy fiadanam-po ho an’ny tsirairay tsy ankanavaka ary manantena fifantohana lalina amin’ny fanatanjahantena ho an’ny Malagasy rehetra, indrindra fa ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ny mpikarakara, ny mpanazatra sy ny mpanao fanatanjahantena tsy ankanavaka mba hifanome tanana hahatrarantsika ny tanjona iombonana amin’ny lalaon’ny Nosy 2023 dia ny ho sangany eto amin’ny sehatry ny ranomasimbe Indianina isika Malagasy.