Niatrika ny famaranana ny « Mondial Qatar 2022 », mbola manohy ny lalany eo amin’ny « Ligue des Champions » any Eoropa, mamiratra ao amin’ny « Ligue » Frantsa. Kylian Mbappé, ilay kintan’ny baolina kitra frantsay. Araka ny vaovao ofisialy, ity lohalaharan’ny Bleus sy ny PSG ity no voahosotra ho mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra nandritra ny taona 2022. Tamin’ireo lalao 56 natrehiny, 56 ny baolina matiny ary 17 ny tolotra tsara petraka avy any aminy. Tsy tongatonga ho azy izany, hoy ireo mpanaraka akaiky azy, fa teo ny ezaka mafy nataony. Ao anatin’ny heriny tsara i Mbappé, ankehitriny, vao nankalaza ny faha-24 taonany, ny volana desambra lasa teo. Manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa i Erling Haaland, ilay Norvezianina mialalao ao amin’ny Manchester City, 22 taona. Nahatafiditra baolina 47 izy tamin’ireo lalao natrehina 55. Laharana fahatelo i Robert Lewandowski, lohalaharana ao amin’ny FC Barcelone, teratany poloney. Any amin’ny laharana faha-5 kosa ny misy an’i Lionel Messi ary faha-9 i Neymar JR.